Actualités

SAR’NAO Hisongadina ny natiora


  • Talata 12 Jolay 2011


 Tato anatin’ny 50 taona izay dia iray amin’ireo firenena namotika ny faritra alany hatramin’ny antsasany be izao i Madagasikara. Ny fanaovana tavy, ny doro tanety, ny fakana hazo hatao kitay sy arina fandrehitra, ny sakafom-biby no tena mamotika ny ala eto amintsika. 9 tapitrisa hektara mahery ny velaran-tany ahitana faritra misy ala eto. Tandindomin-doza moa anefa izany noho ireo efa voalaza etsy ambony kanefa dia ahitana karazam-biby sy zavamaniry mihoatra ny 250 000 isa ny ala eto amintsika ary voasokajy ho anisan’ny goavana indrindra satria ny 70%-n’ireo dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Natokana ho taona iraisam-pirenena ho an’ny ala ity taona ity. Ho fanamarihana izany dia tohanan’ny Conservation International ny volana natokana ho an’ny sary antsoina hoe : SAR’Nao, ao anatin’ny rantsana “Nature et Biodiversité”. Hatomboka rahampitso alarobia ny hetsika, izay hatao etsy amin’ny Institut Français de Madagascar na ny CCAC teo aloha. Sary 40 mahery no haranty ao hatramin’ny faha-21-n’ity volana jolay ity.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT