Actualités

Sao diso paikady e ?


  • Alarobia 11 Mey 2016

Anio tolakandro no hiatrika ny mpanao gazety eny Iavoloha ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana sy ny filoham-pirenena Malagasy.


 Mandritra izany no hahafantarana misimisy kokoa ny tena antony nanasan’ny fanjakana Malagasy an’i Ban Ki Moon ho avy eto. Ary rehefa tonga eto izy dia inona no vokatra azo tsapain-tanana ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy izay mitombo isa isan’andro ireo sahirana ? Tsinjo ihany ny paikadin’ny filoham-pirenena hoe haka ny fon’ity diplaomaty iraisam-pirenena manana ny maha izy azy ity ka avy eto mety mba hitobaka ihany ny famatsiam-bola angamba. Fa amin’ny ankapobeny aloha dia fomba fiady politika ny fitsidihana tahaka izao ary manome lanja manokana ilay filoham-pirenena. Handaitra ve izany ho an-dRajaonarimampianina ? Tsy misy afa-tsy fimenomenomana sy grevy mantsy no hita eto, olana atsy, savoritaka aroa…Efa tena malaza ratsy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona i Madagasikara, mbola tompondakan’ny fandripahana ny harem-pirenena ihany koa. Fa ny tena iainana isan’andro dia ny gaboraraka sy kolikoly amin’ny sehatra rehetra, izay tena ahatsapana fa sady tia tena no tsy mahavita azy ilay fitondram-panjakana. Ka ankoatr’ilay firesaka ara-diplaomatika mampiasa voambolana tsy manafintohina dia andrasana izay tena fahitan’ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana ny zava-misy eto. Efa azo antoka mantsy fa manana antontan-kevitra arahana tarehimarika mifandraika amin’izany izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT