Lasa resabe mandraka anio ilay santabary nasionaly 2011 natao tany Analavory Itasy ny sabotsy 28 mey teo.
Raha sompitra ara-bary mantsy no mason-tsivana nifidianana ilay Faritra hanatanterahana azy dia tsara toerana i Alaotra Mangoro. Be loatra anefa ireo fampandriana adrisa nataon’ny FAT tamin’ny Vahoaka tany Alaotra ka dia nialana sao mamoha fota-mandry. Tsaroana ny fampanantenana ny hanaovana
Fa maninona no tany Itasy ? Tsy tongatonga ho azy, araka izany, ny safidy an’Itasy fa resaka politika tanteraka. Itasy no Faritra nahazoan’i Marc Ravalomanana isam-bato be indrindra (77,83%) niohatra tamin’ireo Faritra 21 hafa manerana ny Nosy tamin’ny fifidianana tamin’ny 03 desambra 2006. Mazava, araka izany, fa vonovorona politika iny, ary nanaovan’ny FAT tambabe. Nandritra iny santabary iny rahateo dia tsy voaresaka ny olana tena maharary ny tantsaha, fa resaka politika no nibahana. Tsy nasian-teny ny fiarovana ny sahandriaka. Iaraha-mahita anefa ny voka-dratsy ateraky ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany ka mahatototra tsikelikely ny farihin’Itasy. Faritra mamokatra koa Itasy noho izy be tany volkanika, nefa manana fahasahiranana noho ny haratsian’ny lalana famoahan’ny tantsaha ny vokany toy ny hita amin’iny distrikan’i Soavinandriana iny, fa tsy nasian-dresaka izany.
Olana lehibe amin’iny Faritra Itasy iny koa ny ady tany. Tsaroana etoana ny ady saritaka nahafatesana olona tao Mahiatrondro Ampefy, taona vitsy lasa izay, tsy nasian-teny koa io, indrindra ny tsy fandriampahalemana, satria dia miakatra an-tanàna ny dahalo ankehitriny ka mampiraviravy tanana ny tantsaha. Ka na teo aza ny filazana fa handefa zezika sy traktera, raha tsy ny olana fototra mihitsy no voavaha, zava-poana avokoa ireny, ary mampitombina ny filazana fa vonololo politika ranofotsiny iny tany Analavory iny. Ho avy rahateo ny fifidianana, ka makamaka fon’ny mpifidy. Naseho ho hitan’ny vahoakan’i Mandridrano sy Itasy fa miara-dia ankehitriny ireo mpifahavalo taloha, raha mahita an’i Andry Rajoelina (TGV) sy Vyvato Rakotovao (TIM) milahatra, na dia filohan’ny FAT aza ny voalohany ary minisitry ny FAT ny faharoa.
Toy izany koa ny fahitana ny minisitry ny seraseran’ny FAT, Rahajason Harry Laurent sy Ratefinanahary Emile na Vazaha, tsara resaka imasom-bahoaka. Sary natao avokoa izany mba hanapepoana ireo nifidy an-dRavalomanana. Koa satria ny fihaonana any
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.