Actualités

Sannie, 21 taona Novonoina noho ny lonilonim-pitiavana ?


  • Zoma 17 Jona 2022

Ny vatana mangatsiakan’i Sannie Raharimiantsa sisa hitan’ny fianankaviany omaly 16 jona tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany maraina.

Izy ilay tovovavikely vao 21 taona nanjavona nanomboka ny alatsinainy 13 jona 2022 tao Sabotsy Anjiro Moramanga, ka nanaovan’ny fianakaviany fampilazana tamin’ny tambajotra facebook. Famonoana efa voaomana noho ny lonilony ara-pitiavana no heverina fa nahazo an’i Sannie satria ny sakaizany teo aloha, lehilahy 24 taona miaraka amin'ny vehivavy 22 taona sipan’io no voalaza fa tompon'antoka tamin'ny famonoana azy. Manelingelina ny fiarahan’izy ireo no voalaza hatreto, fa antony namonoana azy. Nasain'ilay lehilahy tonga tany an-tranony i Sannie. Efa nisaraka izy ireo kanefa mbola ilay lehilahy no nitondra ny kaonty facebook-n’ilay tovovavy ka hiresaka momba an’izay no voalaza fa nandehany tany, raha ny fitantaran’ny mpiara-monina amin’izy ireo tamin’ny tambajotran-tserasera. Tsy hita nanomboka io alatsinainy io tamin’ny 2 ora tolakandro i Sannie, avy eo nisy hafatra tamin’ny finday tonga tamin’ny 4ora maraina hoe: "Vonjeo aho fa lasan’ny “4×4” mainty aty ,…". Ny alarobia indray nisy hafatra tonga hafa miteny hoe mila 20 tapitrisa Ar izahay vao mivoaka ny zanakareo! Ny tena marina anefa, rehefa tonga tany amin’ilay lehilahy dia novonoin'io sy ny sipany ary nalevin'izy ireo teo an-tokontany i Sannie, raha ny fanazavana. Nandritry ny fitsirihana dia nahitàna mangana tamin'ny hatoka sy ny lamosin’ny maty, ary miboridana tanteraka ny razana. Ny famaritana ny misy ilay “puce” an’ny finday na “localisation” moa no voalaza fa nahitana hoe: olona eo an-tanàna ihany no mandefa azy. Efa natao fanadihadiana ilay lehilahy sakaizany teo aloha io, saingy votsotra tsotra fotsiny satria tena tsy nibaradaka, saingy tsikaritra ihany hoe izy no nandefa ilay hafatra, izay vao niteny izy hoe ny "sipako" no mahita azy. Natao ny famotorana, ka nibaradaka fa nalevin’izy roa eo an-tokotany i Sannie. Voasambotry ny Polisy afak’omaly hariva ihany moa izy roa ireo, ary nentina niakatra aty an-dRenivohitra.

Nangonin’i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT