Actualités

Sampandraharahan’ny pasipaoro Anosy Hikatona anio maraina sy rahampitso maraina


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Hikatona anio alakamisy maraina sy rahampitso zoma maraina ny sampan-draharaha mikarakara ny pasipaoro etsy Anosy.

Noho ny fanomezan-dra faobe entina hamonjena ny ain’ny mpiara-belona ho ataon'ny Polisim-pirenena no anton’izany. Eo an-tokontanin'ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka ihany no hanatontosana izany. Na izany aza anefa dia fantatra fa hiverina hisokatra ihany izy ireo raha vantany vao migadona ny amin’ny 02 ora folakandro. Tsiahivina moa fa mahatratra 120 isan’andro raha kely ny paosin-dra ilaina etsy amin’ny Centre National des Transfusions Sanguines etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Tohanana sy entanina hatrany araka izany ireo vonona hanome ny rany hamonjena ny ain’ny mpiara-belona. Tsy taizan’aretina kosa anefa, tsy latsaky ny 50 kg, tsy mifoka sigara na misotro toaka ary tsy mandeha fadim-bolana raha ho an’ny vehivavy.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT