Actualités

Sampandraharahan’ny hetra Hanao bemidina hisava ireo mpandraharaha


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Am-perinasa ankehitriny ny «Comité régional de recettes» eto Analamanga, rafitra hanara-maso ireo mpandraharaha izay iarahan’ny ministera maro samihafa.

 Manomboka amin’ny herinandro ambony no hidina eny anivon’ny Fokontany ao amin’ny boriborintany faharoa ny ekipa. Hiampita tsikelikely amin’ireo boriborintany hafa izany raha mbola hatsangana kosa ny sampany amin’ireo distrika 12 ambiny eto Analamanga. «Tokony ho samy hanana fahazoan-dalana toy ny licence na permis ary ny fanambaran-ketra avokoa ny mpandraharaha rehetra ka hilatsaka ny sazy ho an’izay tsy manara-dalàna», hoy ny lehiben’ny faritra Andriambololona Mananjara. Tsy misy afa-bela fa samy hosavaina avokoa rehefa mpandraharaha na ireo mpivarotra entana madinika izany na ny mpivarokena na koa mpivaro-kazo araka ny fanazavana avy amin’ny foiben-ketra eto Analamanga. Mampitandrina ireo mihevitra sahady ny hanidy ny tsenany mba tsy ho tratran’ny fisavana ataon’ireo mpanara-maso koa ireo tomponandraikitra. «Tanjona ny fampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo tsy manara-dalàna ary ny fanatsarana ny fampidiran-ketra», hoy ny talem-paritry ny sampandraharahan’ny hetra eto Analamanga, Rakoto Haritiana Aurélia. Marihina fa nahatratra roa miliara ariary ny hetra tambatra niditra tamin’ny kitapon’ny faritra tamin’ny taon-dasa izay heverina hitombo avo roa heny aorian’izao hetsika izao.  Mitohy tsy mijanona ity farany mandra-pahita fa efa miditra amin’ny sehatra manara-penitra ny ankamaroan’ireo mpandraharaha rehetra. Ny Faritra moa no miantoka ny enti-manana ampiasain’ny «Comité régional de recettes» izay manokana tetibola 16 tapitrisa ariary.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT