Amin’ny vanim-potoana fahavaratra toa izao no tena hisehoan’ny trangana varatra,
hoy ny avy eo anivon’ny sampana mpamantatra toetr’andro. Mila fitandremana fa mety hanimba fitaovana, mety hiteraka afo ary mety hahafaty mihitsy ny varatra. Matetika rehefa avy ny orana dia misy fifanatonana herinaratra eo amin’ny rahona sy ny tany ka miteraka feo midoboka mafy (Kotroka) sy hazavana miendrika herinaratra (Tselatra). Fitambaran’ny kotroka sy ny tselatra ny varatra. Mila esorina avokoa, noho izany, ny fitaovana mifandray amin’ny herinaratra ao an-trano. Tsy milalao rano any amin’ny trano fandroana na fisaikana. Tsy mijanona eo anoloan’ny varavarankely.Tsy mampiasa telefaonina raikitra na “telephone fixe” fa finday raha tojo fahamehana. Tsy mandray na manakaiky fitaovana vita amin’ny vy toy ny elo, ny angady, andrin-jiro kosa raha ivelan’ny trano. Tsy dia mifanakaiky amin’ny olon-kafa ary tsy mifampitantana. Tsy mialoka ambany hazo. Raha anaty fiara dia mijanona mihitsy ka hidiana avokoa ny fitaratra ary tsy mitoby ambany hazo. Manalavitra ny moron-dranomasina na rano mandeha. Raha tena tsy hita izay ialofana dia azo atao ny mihohoka amin’ny tany aloha mandra-pijanon’ny varatra. Raha sanatria misy olona nilatsahan’ny varatra dia zahana aingana ny toe-pahasalamany ary orina ny fony, izany hoe, “massage cardiaque” alohan’ny itondrana azy any amin’ny toeram-pitsaboana satria tsy mampidi-doza velively ny fikasihana azy. Raha misy fitaovana nilatsahan’ny varatra dia tsara raha tsy raisina avy hatrany aloha na manalavitra izany mihitsy mba hisorohana ny loza mbola mety haterany. Entanina ihany koa isika mba hanisy fandribaratra ny trano. Fantaro fa anisan’ny tranga ara-toetry ny andro mampidi-doza ny varatra ka aoka ho malina sy mailo hatrany, hoy hatrany ny Meteo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.