Actualités

Sampam-pifandraisan’ny foloalindahy Manamafy ny fitsikilovana sy fihainoana antson’olon-tsotra


  • Alarobia 03 Aogositra 2011


 Tonga tao Toamasina ny tale eo anivon’ny sampandraharahan’ny fifandraisana eo anivon’ny foloalindahy Malagasy na ny OTME ny Jeneraly Razafimanantsoa Alexandre, tonga nitondra fanazavana sy nanao tatitra ary nanazava tamin’ny tompon’andraikitry ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, mikasika ny fanavaozana hoentina eo anivon’ny fanaraha-maso ny fifandraisana amin’ny lafin-javatra maro ao Toamasina. Misy rafitra vaovao napetraky ny fitondrana FAT mantsy ankehitriny. Hisy, noho izany, fitaovana avo lenta araka ny fanazavana hapetraka entina hanaraha-maso ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny finday, ny solosaina samihafa, ny fahitalavitra sy ny onjam-peo ka ho voakasik’izany avokoa na ny ara-panjakana na ny olon-tsotra. Ankilan’izay, dia anisan’ny harahan’io fitaovana hapetraka io koa ireo fitaovam-piadiana mety tafiditra ny sisin-tany Malagasy ary ny fifampitana vaovao ataon’ny eo anivon’ny samy fanjakana. Vokatra ity fametrahana fitaovana hanaraha-maso ny fifandraisana samy hafa ataon’ny OTME ity, dia efa betsaka ny fanahiana eo amin’ny mpampiasa finday sy ny fifandraisana ara-tsolosaina, fa hisy indray ny fihainoana sy fijerena ny resaka hifanaovana, tsy voahaja intsony ny tsiambaratelo fa ho henon’ireo mpanao fihainoana avokoa ny resaka sy ny fifandraisana mety hatao rehetra.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT