Tontosa omaly teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanianan’ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Sampan-draharaha mikasika ny ady
amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana na ny SAMIFIN Atoa Mamitiana Rajaonarison. Nanatrika izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka naneho fa zava-dehibe eo amin’ny fitondrana Fanjakana indrindra ny fitantanana ny raharam-pirenena amin’ny ankapobeny ny ady amin’ny kolikoly. Betsaka ny sehatra, ka anisan’izany ny “rapatriement des devises”, izay nambarany fa efa fantatra daholo ny lisitr’ireo tsy nanao izany. Izay no andraikitra voalohany hotanterahin’ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN vaovao, ka hofantarina hatrany am-potony ny resaka fanondranana harem-pirenena sy ireo olona voakasik’izay. Ny 20 martsa moa ity farany dia efa nilaza fa volamena 1938.9 kg no nivoaka an’i Madagasikara tamin'ny 2020. Vola 394 miliara Ariary mahery ny vola tokony hiverina eto Madagasikara kanefa dia zara raha misy 4,5 miliara Ariary no noverina aty Madagasikara, ary nomena 30 andro hamerenana ny vola ireo mpandraharaha.
MISY DOSIE LEHIBE 300 MILIARA ARIARY…
Naneho araka ny fihanianany, fa hitana sy tsy hamboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny asa ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN vaovao. Misy dosie mikasika raharaha 300 miliara, saingy nambarany fa tsy afaka ny holazaina hoe inona io. Vola tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana izy io kanefa tsy niditra raha araky ny fantatra. Nisy kosa ny nambaran’ny Filoha momba ny volamena sy ny vola vahiny izay efa mazava sy fantatry ny rehetra, fa misy ny tsiambaratelo. Vina lehibe dia ny hoe ho lasa atahoran’ny olona manao famotsiam-bola na vola avy any ivelany na eto an-toerana. Hamafisina tanteraka izany. Faharoa, dia tsy hisitraka ny vokatry ny asa ratsy nataony ny mpanao famotsiam-bola, izany hoe halaina sy haverina amin’ny Fanjakana ny vola. Hifantoka amin’ny dosie goavana na “grand dossier” ny SAMIFIN, ka hatao vaindohan-draharaha io satria tena miantraika amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena. Hitrandraka sy hitady vaovao fa tsy hiandry intsony ireo tranga mampiahihy na “déclaration d’opération suspecte” toy ny avy any amin’ny Banky na rafitra hafa, fa tena hitady hoe: aiza daholo no misy vola maloto mivezivezy. 10 taona mbola azo henjehina foana ny resaka hosoka ara-ketra, mitovitovy amin’izany ihany koa ny famatsiam-bola mikasika ny asa fampihorohoroana izay dosie roa aloha no efa hitan’ny SAMIFIN momba izany, hoy ny ampaham-panazavana. Ho voakitika ve ny Mpitondra manana afera maloto maro ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.