Sambokely na karazana lakana lehibe iray mitondra ny anarana MS Francia laharana laharana S/M 2102 niainga tany Tanambe Mananara Avaratra ho any Soanierana Ivongo no rendrika teo anelanelan'Antsiraka sy Andrangazaha
any akaikin’I Sainte Marie, 1km miala amin’ny sisin-dranomasina omaly alatsinainy 20 desambra tokony ho tamin’ny 9ora maraina. Nitondra mpandeha an-jatony izy io, ary nifamahofaho tanteraka ny mikasika ny isan’ny olona nentiny satria tao ny nilaza fa 230, far aha ny vaovao ofisialy aloha dia 130 ireo mpandeha. Sambo vita amin’ny hazo izy I MS Francia, ary natokana hitondrana entana, saingy nitondra olona. Maty teny afovoan-drano anefa ny maoterany satria tafiditry ny rano, ka izay no nahafaty azy, ary nilentika, raha ny fanazavan’ny Kapitenin’ny sambo, izay avotra soa aman-tsara. Nahetsika avy hatrany ireo fitaovana toy ny sambon’ny Détachement Marine ao Sainte Marie, ny fitaovan’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dRanomamy sy an-dranomasina na ny APMF. Raha ny vaovao farany azo tamin’ny 10 ora alina tany ho any, dia mpandeha miisa 18 no efa hita faty, raha toa ka 50 eo no avotra soa aman-tsara, ary 60 mahery kosa mbola tsy hita popoka sy mahakely finoana ny mbola ahitana azy ireo ho velon’aina. Voalaza moa fa mpandeha avy nila ravinahitra noho ny fitadiavana nandritra ny taom-piotazana jirofo ary namonjy fodiana ireto tra-doza ireto ny ankamaroan’ireo mpandeha, ka maro tamin’ireo no vehivavy. Andrasana ny fampitam-baovao ofisialy sy ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Toerana tsy misy tompon’andraikitra avy amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy ny an-dranomasina (APMF) ny ao Tanambe, ary tsy tokony hiantsonan’ny sambo mitondra olona, ka nilaza ny avy amin’ny APMF, fa fitaterana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna na “clandestine” no nataon’ity sambo rendrika ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.