Actualités

Sambo Sun Bulk tafiditry ny rano Vary 150 taonina simba, ahiana ho nisy hafa niparitaka…


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Vary milanja 150 taonina aloha hatreto no tena fantatra fa simba (vary lo, misy lomotra na moisissures, mivaingana, misy fofona…)

noho ny fisiana fahasimbana eo amin’ny Cale n°5 an’ilay sambo SUN BULK mitondra izany. Vokany, tafiditry ny rano ity sambo ity, araka ny fampitam-baovaon’ny SPM (State Procurement of Madagascar). Efa noraisina ireo fepetra rehetra momba azy ireo. Na izany aza anefa dia mety mbola misy ireo vary efa niparitaka eny an-tsena kanefa tsy nisy endrika fahasimbana hita taratra avy ety ivelany, hoy ny SPM. Ao anaty gony 25 kg ary mitondra ny famantarana “N de Lot : GEPCL/10, date de production : feb 2022” ireo vary ireo koa manentana ireo mpamongady na mpaninjara tsy hivarotra amin’ny mpanjifa izay vary ahiana misy endrika fahasimbana fa hamerina azy ireo aty aminay fa ho soloina maimaimpoana izany. Marihana fa ireo gonim-bary nanakaiky ireo vary tena simba ireo no ahiana ho tratra izany tranga (contamination) izany, hoy hatrany ny antso avon’ny SPM izay nilaza fa tsy mikely soroka i SPM mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT