Actualités

Sambo nitondra vary Gidragidra vao voaloa ny hofany ?


  • Alakamisy 24 Febroary 2011

Ny talata maraina tamin’ny 7ora no niantsona teo amin’ny fiantsonan-tsambon’ny tetikasa Ambatovy, ny sambo “Paiwan Wisdom”, nitondra ny vary avy any Birmania.

Tsy mbola nisy fanokafana ny lakaly misy ilay vary nandritra izany, satria raikitra ny gidragidra teo amin’ny komandàn’ny sambo sy ny mpanafatra ny vary ary ny tompon’andraikitry ny entana misaritaka eo anivon’ny seranan-tsambo, izay hisahana ny fampiantranoana ny vary sy fitehirizana azy. Nandeha ny resaka ny talata tontolo andro io fa tsy manana taratasy manamarina azy na ny B.L fantatry ny mpamoaka entana amin’ny hoe : “connaissement” ny entana nentin’ilay sambo. Ankoatra izay dia nahoraka koa fa tsy voaloan’ny mpanafatra ny vary ny vola 620 tapitrisa ariary hofan’ny sambo sy hofan’ny magazain’ny Smmc izay mitentina 360 tapitrisa ariary ary ireo vola tokony haloa rehetra eo anivon’ny Spat sy ny Apmf ary ny hafa…

Vokany, tsy nisy fampidinana ny entana ny talata manontolo fa niandry ny alarobia nandalovan’ny filohan’ny FAT vao nisy ny famahana ny olana, araka ny vaovao. Izay, araka ny fantatra, no nisiana fivoriana maika niarahan’ny ministry ny vola sy ny tetibola, ny ministry ny mponina, ny teo anivon’ny prezidansa, ny tompon’andraikitry ny mpanafatra ny vary avy eo anivon’ny Silac, ny lehiben’ny faritra ary ny Pds-n’ny Kaominina, tao amin’ny birao rejionalin’ny prezidansa tao Toamasina ny maraina nahatongavan’ny filohan’ny FAT tao Toamasina nijery akaiky sy nanao ny fanombohana ny famarotana ny « vary mora » vao tonga ity.

Raha nanontaniana anefa ny teo anivon’ny tale jeneralin’ny Spat sy ny tompon’andraikitry ny Silac dia nambaran’izy ireo fa «voaloa avokoa ny vola rehetra mifanaraka amin’ny fanafarana ny vary, na ilay 20.000 tapitrisa ariary vidin’ny vary izany, na ireo hetram-panjakana tokony haloa, na ireo hofan-tsambo sy ny hofan’ny famindrana ny entana samy hafa. Raha tsy vita ireo rehetra ireo tsy nanaiky ny nampidina ny vary toy izao ny komandàn’ny sambo izay tompon’andraikitry ny tompon-tsambo ihany koa». Nambaran’ireto tompon’andraikitry ny vondrona Silac ireto koa fa «ny fahataran’ny fisokafan’ny biraon’ny nanafarana ny vary tao Genève Suisse, tamin’ny 9ora maraina tany aminy, izay mpandraharaha eoropeanina anisan’ny matanjaka amin’ny varotra voamaina toy ny vary, no nahatara ny fahazoana ilay B.L na Connaissement ny vary. Efa milamina izany izao ary misy mpiasan’ny ladoany manara-maso izany, dia izao midina sy efa amidy izao ny vary mora ho an’i Toamasina, ho avy koa ny an’i Toliara», hoy ny Silac namarana ny fanazavany.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT