Sambo nihitsoka tao Manakatafana

> Mitohy ny ampamoaka


  • Alatsinainy 03 Martsa 2014

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao politika ao Toamasina ny mahakasika ilay sambo nihitsoka tao Manakatafana, 18km tsy hahatongavana ao Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo. Notazonina am-ponja vonjimaika moa ireo tantsambo vahiny 11 tao anatiny, ankoatra ny iray izay marary ka tsaboina ao amin’ny hopitaly be Toamasina.

Nenjehin’ny fanjakana Malagasy ho “saika haka andramena sy nikasa hanao trafika na bolabola” izy ireo ary koa niditra tsy nahazo alalana ny fari-dranomasina Malagasy sy ny firenena Malagasy izay voararan’ny lalàna mifehy ny ranomasina sy ny sisintany maneran-tany. Fa manana ny ambarany mikasika iny raharaha iny ireo mpitsara sy mpahay lalàna. Nambaran’izy ireo fa tena tafiditra ao anatin’ny kizo ireto tantsambo Tanzanianina sy Indianina ireto. Raha tena hadihadiana amin’ny fo tsy miangatra sy ao anatin’ny maha matihanina ny raharaha dia tsy misy idiran’ireto tantsambo ireto sy ilay sambo nihitsoka noho ny fahasimbany teo am-pandehanana hihazo an’ny nosy Maurice avy any Zanzibar mihitsy ny raharaha andramena anenjehana azy izao. Saika atao sorona amin’ny trafikana andramena efa nogejaina tao Fenoarivo Atsinanana sy ireo vao avy notapahana niisa 2.030 teo, nokasaina havoaka antsokosoko ireto tantsambo tsy manan-tsiny tafiditra tsy nahy ny fari-dranomasina sy ny sisintany Malagasy ireto. Araka ny angom-baovao mantsy dia efa ela no niketrika ny hamoaka ireo bolabola nogiazana ao Fenoarivo Atsinanana ny tambajotra mpanao izany. Efa nisy bolabola nogiazan’ny fanjakana tahaka izao mantsy ny taona 2013 nefa nisy namoaka tamin’ny alalan’ny “ordonnance” hosoka nangalarana sonian’ny mpitsara iray tao Toamasina, hosoka izay hiakatra fitsarana ato ho ato araka ny vaovao noho ny fitoriana nataon’ity mpitsara nangalarina sonia sy nosandohana ity. Izay, hoy ireo mpitsara sy mpahay lalàna no tsy nilazana ny fihitsohan’ity sambo ity, raha tsy efa nananika ny herinandro tsy nahafahany tao Manakatafana. Ankoatra izay, dia fantatra ihany koa izao fa misy andremana nalevina izany manodidina ny fari-dranomasina ao Manakatafana sy tsy lavitra ireo andramena nogiazan’ny fanjakana hatramin’ny taona 2011 ao Analanjirofo ireo. Eo am-piketrahana ny famoahana azy ireo ny tambajotra matanjaka ankehitriny ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT