Actualités

Sambava Nokorontanin’olona nasesi-javatra ireo skoto


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Tamin'ny 11ora sy sasany alina no nisy nanozongozona ny tempolin'Andriamanitra FJKM tao Tsararivotra izay natorian'ireo Skoto Fjkm tamin’ny Sabotsy alina teo ka nisy nanakotaba no sady niantso mafy ny Pastora,

 ny presibitera na katekista mba hivoaka any ivelany fa hisy faty olona. Raiki-tahotra ireo tanora tao an-toerana ka niantso ny anaran'i Tompo mba hiditra an-tsehatra. Vao vita anefa ny Amen dia nanomboka nanozongozona ny varavaran’ny fiangonana koa ity tovolahy nasesi-javatra ka nanomboka nanokatra an-keriny ny varavarana.Niantso vonjy tamin'ny manodidina tamin’ izay ireto farany ka vetivety foana dia raikitra ny fifanjevoana ary tonga ara-potoana ihany koa ny avy amin'ny zandarimaria izay sendra manao fisafoana mandritra ny alina ka voasambotra ilay lehilahy tompon'antoka tamin'izany. Natory tao am-piangonana ihany moa ireo skoto saingy niandry ny fotoana maneno akoho izao vao nanao dia be ho any Antalaha ka navondrona amin’ ny toerana iray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nanakorontana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT