Hoditr’akondro milanja 53 kg nolazaina fa bekorontsana (lavanila) no tratra tany Sambava. Hoditr’akondro notetehina mitovitovy amin'ny halavan’ny lavanila anefa izy io ary nandrahoina ny tapany mba ho maina tsara ka mamoaka
endrika tahaka ny bekorontsana mihitsy. Noho ny fanomezam-baovao avy amin'ny olona tsara sitra-po sy anefa dia azon’ny polisim-pirenena ny vaovao ka tra-tehaka ireo mpikirakira lavanila hosoka ireo. Tao Andranoalanana Tsararivotra ny talata folakandro no nahatrarana azy ireo raha araka ny fanazavana azo. 20000Ar moa no vidin’ny iray kilao amin'izany antony manosika ny sasany hanaotao foana tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende Ireto ilay hoditr’akondro voavoatra lazaina fa lavanila !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.