Actualités

Sambany niteraka Nanao kambana efatra avy hatrany ilay vehivavy


  • Zoma 02 Aogositra 2013


Renim-pianakaviana, 20 taona, izay vao sambany niteraka herintaona taorian’ny nanambadiany, no nanao kambana efatra ka telo vavy sy lahy iray, ny 24 jona 2013, tany ambanivohitr’i Fenoarivo Atsinanana. Reninjaza no nampiteraka satria any amin’ny 15km miala ny tanànany vao misy tobim-pahasalamana. Tsy maintsy nentina tany naraha-maso ara-pahasalamana anefa izy dimy mianaka saingy namoy ny ainy ny iray tamin’ireo vavikely. Nitodi-doha namonjy fodiana izy mianakavy kely, afaka iray volana taorian’izay. Reraky ny dia an-tongotra sy nitrotro ny kambana roa ilay renin-jaza ka dia namoy ny ainy, ora roa monja taorian’ny nahatongavany tao an-tanàna. Ny anabavin-drangahy vadiny no nampinono ireo zaza telo mianadahy, ireto farany izay arahi-maso ara-pahasalamana sy omena tohana ara-tsakafo ao amin’ny hopitaliben’i Fenoarivo Atsinanana ankehitriny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT