Salon des Etudes Supérieures

> Nahaliana ny tanora maro ny IT University


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

Fahombiazana tamin’ny ankapobeny ny hetsika fampahafantarana ny tanora vao nahazo ny diplôma bakalorea ireo tolotra omen’ireo sekoly ambony na ivontoeram-panofanana samihafa nandray anjara tamin’ny «Salon de Etudes Supérieures» andiany faha-14 nokarakarain’ny Mada Jeune tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina nifarana omaly.

Niavaka tamin’ireo tranoheva maro ny an’ny APUN (Association des Professionnels de l’Urbanisme de Madagascar) izay vao sambany nandray anjara ka nampahafantatra tamin’ny mpianatra ny tambajotra tsy miankina hivoy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny hevitra sy tetikasa ho an’ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe eto amintsika. Tao koa ny IT University (Information Technology University) hany ivontoerana ambony tsy miankina mampiofana resaka informatika avo lenta ary hany tokana manana fiaraha-miasa matotra amin’ny Microsoft IT Academy eto Madagasikara sy fiaraha-miasa koa amin’ny «Université de Nice Sophia Antipolis» any Frantsa izay tonga lafatra indrindra ankehitriny any Eoropa. Ny Alatsinainy 7 oktobra no farafandraisana antontan-taratasy hanaovana ny sivana ho an’ireo mpianatra vao hiditra liana ary ny alatsinainy 28 oktobra no fidirana ofisialy eny Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano misy ny foibeny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT