«Salon de l'Etudiant» - Antsirabe

> Miditra amin'ny andiany faha-3


  • Sabotsy 28 Septambra 2013

Miditra amin’ny andiany fahatelo ankehitriny ilay hetsika fanaon’ny Radio Haja Antsirabe dia ny «Salon de L’Etudiant» izany. Ho roa andro izy amin’ity raha toa ka andro iray izany nandritra ireo andiany roa voalohany.

Tsy miova kosa ny toerana fa eo anoloan’ny Katedraly Antsirabe ihany hampahafantaran’ireo sekoly ambony misy ao Antsirabe ny tolotra misy ao aminy. Raha ny fanazavana nomen’ny Mompera Andrialalainarivo Serge Franklin, Talen’ny ny Radio Haja, haino aman-jery katolika ao Antsirabe izay tompon-kevitra amin'izao hetsika izao dia ny hanampy ny tanora amin'ny zotram-piofanana ho safidiny aorian'ny bakalorea no tanjona amin'izao hetsika izao. Niisa 19 moa ireo sekoly ambony mijoro ao Antsirabe nandray anjara tamin’izao hetsika izao, raha toa ka nahatratra 22 tamin’ny taon-dasa. Nandrasan’ny maro ny fandraisan’anjaran’ny Oniversiten’Antananarivo izay hanokatra ny rantsany ao Vakinankaratra saingy tsy mbola tazana izy ireo hatreto na dia efa nambara fa hisokatra amin’ity taona ity aza.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT