Actualités

Sakoroka tao Manakara Naratra hatramin’ny zaza menavava


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Niafara tamin'ny rotaka sy poa-basy ny lalao antsoina hoe Anjara Vintana tao Bazary Tanambao ny sabotsy teo.

Tapakila iray voalaza fa isany nahazo ny lelavola 50 tapitrisa ariary tao anatin’izany lalao izany no fototra nahatonga ny korontana, raha ny fampitam-baovao voaray. Nolazain'ireo mpikarakara ny lalao fa hosoka ilay tapakila, hoy ny fanazavana, ka teo no nanomboka ny tsy fitovian-kevitra teo amin'ilay olona tompon'ny tapakila sy ireo mpikarakara izay niafara tamin'izao sakoroka izao. Tonga nandamina sy nanaparitaka ireo vahoaka moa ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra, nisy ny naratra ary nentina eny amin'ny biraon'ny polisy ilay tompon'ny tapakila lazaina fa nahazo ity loka fisarihana lelavola 50 tapitrisa ariary nanaovana fanadihadiana. Mpitandro filaminana iray no naratra ary teratany sinoa mpampilalao ity no voalaza fa voatora-bato. hatramina zaza menavava iray koa no naratra tao anatin’ity fifandoanana ity. Efa voafehin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana moa ny toe-draharaha raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT