Actualités

Sakoroka tao Barikadimy Mpianatra 01 maty, 36 voasambotra


  • Talata 13 Septambra 2011

Nitohy omaly alatsinainy maraina ny sakoroka teo amin’ny mpianatra avy any Antsiranana Miray ao anatin’ny FITEFA sy ny mpianatra Grand Sud Est, raha efa mba somary nilamina ny toe-draharaha ny alahady alina taorian’ny nandraisan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien fepetra nanalana ny “Franchise Universitaire”, ka nahafahan’ny mpitandro ny filaminana niditra an-tsehatra nifehezana ny raharaha.

 Raha ny fanazavan’i Horace Gatien dia tonga maro nirodorodo tao Barikadimy ireo mpianatra avy eo anivon’ny Grand Sud Est, omaly alatsinainy tamin’ny 07ora maraina, raha avy nitsoaka ny alahady ka nangataka fihaonana tamin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana sy ny filohan’ny oniversite. Raikitra avy hatrany ny fifampihantsiana teo amin’ireto andiana mpianatra ireto, izay efa samy vonona teo akaikin’ny kianja filalaovana basikety raha avy nanakorontana tao amin’ny “Bâtiment E” ireto mpianatra avy amin’ny Grand Sud Est ireto, araka ny fanazavan’i Horace Gatien hatrany. Nitatra tamin’ny tora-bato sy vely kobay izany, ka maro no naratra mandra-piditry ny Emmo-Reg an-tsehatra nanasaraka ireo vondrona mpianatra nifandramatra. Am-polony ireo naratra, raha ny fanazavana avy amin’i Horace Gatien, filohan’ny oniversite. Ny Grand Sud Est indray milaza fa 21 ny azy ireo no naratra, ny FITEFA kosa mahita fa maherin’ny 25 ny azy ireo no naratra.

Ny fantatra aloha dia 05 ireo naratra niditra hopitaly hatramin’ny alahady ka efa nalefa nody ny iray tamin’ireo niditra ny alahady raha vao nahazo fitsaboana. Omaly alatsinainy no tonga tao amin’ny hopitaly ny fahadimy tamin’ireo naratra, izay voa mafy tokoa. Fantatra anefa izao fa namoy ny ainy ity vao nampidirina omaly ity, na dia niala nenina taminy aza ny mpitsabo. Mpianatra “3ème année” eo amin’ny sampana toekarena ao Barikadimy, ary avy amin’ny Grand Sud Est toy ireo efatra hafa naratra ity maty ity. 36 ireo mpianatra nosamborina aloha hatreto vokatr’ity sakoroka be omaly ity. Avy amin’ny FITEFA ny ankamaroan’izy ireo izay nambaran’ireo mpitandro ny filaminana, fa tena nihetraketraka sy nitarika ny fifamonoana tao Barikadimy. Notazonina ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Toamasina izy ireo mandra-piandry ny ho tohin’ny raharaha. Vokatr’ity fifamonoan’ny mpianatra avy amin’ny Grand Sud Est sy ny FITEFA Antsiranana ity, dia nahemotra ny “Conseil de discipline” mahakasika ireo mpianatra miisa 21 voaroaka tao amin’ny sampana lalàna tokony ho natao omaly maraina. Mbola mitohy anefa etsy ankilan’izay ny fitokonan’ny mpianatra ao Barikadimy noho io olana io.

 

Rakoutou

 

Sary : Ilay tovolahy namoy ny ainy, navoakan’ny namany tao amin'ny hopitalibe Toamasina omaly antoandro

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT