Actualités

Sakoroka goavana tany Andapa 6 maty, am-polony naratra mafy, 8 voasambotra


  • Zoma 23 Jolay 2021

Zava-doza ny zava-niseho tato amin'ny kaominina Ambodidivaina, distrikan'Andapa omaly alakamisy 22 jolay 2021.

Nifandona ny mpitandro filaminana mivondrona ao anatin’ny Emmo-Nat sy ireo olona voalaza fa tratran'ny ambalavelona niampy ireo fokonolona an'arivony maro. Voalaza fa maromaro ireo olona idiran'ny devoly, lasa mitazona antsy be sy fitaovam-piadiana.
ODY GASY, MITAKY VOLA
Mitady olona manana ody gasy ireo tanora voalaza fa misy devoly. Tsy misy alaharo alaharo fa teren'izy ireo hiaiky fa mpilalao ody ilay olona, sady takian'izy ireo vola, 1 hatramin'ny 2 tapitrisa ariary. Darohan'izy ireo amin'ny antsy sy vy ilay olona mandra-pahazoan'izy ireo ny vola. Olona 1 no voalaza fa matin'ireo ny alarobia lasa teo. Rehefa nafana ny sakoroka, tonga tany ny mpitandro filaminana omaly haka ireo voan’ny ambalavelona hotsaboina. Raikitra ny fanapoahana lakrimozenina, ary nisy fitifirana. Olona 5 ny namoy ny ainy omaly vokatry tifitra nataon’ny zandary namaliana ny tora-bato sy fampiasana zava-maranitra.
TORA-BATO TSY NIFANKAHITANA
Nisy voatifitra tamin’ny fe, tenda, tànana,… Polisy 1 sy miaramila 4 ary zandary 3 maratra mafy raha ny vaovao vonjimaika. Tao ny vaky loha, voatora-bato satria toy ny ranon'orana mifafy ny tora-bato ka tsy maintsy nitifitra ny an-daniny. Sivily 8 (ny sasany voalaza fa misy devoly, ny hafa mpiray tsikombakomba sy mpamporisika) voasambotra, sivily maro naratra, fiaran'ny mpitandro filaminana potika,… ireo no voka-dratsin’ny sakoroka tany Andapa omaly. Raha haravona izany dia 6 farafahakeliny ny namoy ny ainy tao anatin’ny roa andro tena nampafana ny sakoroka, ary mety hihoatra an’io aza. Marihina fa nanomboka tamin'ny 10 ora maraina tany ho any ny fifandonana nahery vaika izany ary naharitra ora maro. Tsy maintsy nisintaka ny mpitandro filaminana mba hitsaharany. Andrasana ny fivoaran'ny raharaha, satria samy mbola mitsabo ireo maratra na ny an-daniny na ny an-kilany. Olana ara-piarahamonina hafahafa ity niseho ity, ka asa izay ho tohiny. Mety samy manana ny ambarany sy ny fandraisany azy ny rehetra na ny voakasika mivantana na ny mpitazana. Tsy azo hamaivanina anefa satria tena zava-doza, indrindra ny fisiana fifandonana sy fifamonoana, ka ilàna vahaolana haingana sy maharitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT