Actualités

Sakaraha Ampijalian’ny dahalo ny miaramila


  • Alarobia 18 Mey 2016

Mpanaradia miisa sivy no maratra hatreto ka ny roa amin’ireo dia sivily. Mpitandro ny filaminana miisa telo kosa no tsy hita ary tsy mbola fantatra na maty na velona.

 

Ny roa zandary ary ny iray polisy. Ireo no vokatry ny fifandonan’ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny fokonolona tao Andranolava, distrikan’i Sakaraha ny fiandohan’ny herinandro teo. Tatitra izay nataon’ny jeneraly Ramarozatovo Anthony, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Raha iverenana kely ny tantara dia ny zoma 13 mey lasa teo no nisy dahalo an-jatony nanafika ity tanànan’Andranolava ity ka nahavery omby an-jatony. Nisy avy hatrany ny ara-dia ka tamin’izany no nahafaty zandary iray. Raha somary nilamina kely ny any amin’ny faritra Iabohazo sy Tsivory ary Betroka, dia mihetsika miaraka amin’ny any Befotaka indray ny ao Sakaraha. Azo ambara fa tsy mbola voafehy noho izany ny resaka halatr’omby any amin’ny faritra Atsimo. Ankehitriny dia efa misy ireo mpitandro ny filaminana mpanampy avy any Toliara tonga any Sakaraha ary efa manatevina ny ady amin’ny asan-dahalo ihany koa ireo mpiray dina. Tsy sanatria fanakiviana ireo mpitandro ny filaminana mampandry tany anefa fa ho sasa-poana ihany izy ireo raha toa ka mbola gaboraraka toy ny misy ankehitriny ny fivarotana basy sy bala amin’ny alalan’ny risoriso izay toa iniana jerena fotsiny toy ny tany nahalavoana na dia fantatra izao aza ireo atidoha mpikotrika azy.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT