Mitambesatra amin’ny orinasa ka tsy afahafany miatrika ny fifaninanana sy ny tsena ny fisian’ireo sakana maro isan-karazany. Ankoatra ny resaka hetra sy haba dia mbola misy karazany fito ireo olana mampikolay ny mpandraharaha, indrindra ireo manondrana entana any ivelany.
Voalohany amin’ireny ny havesatr’ireo pitsopitsony eny anivon’ny fadintseranana, ny fisian’ireo fepetra hentitra loatra kanefa tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena akory, ny fenitra momba ny fahasalamana izay tsy dia ilaina loatra, ny famerana ny vesatry ny entana azo aondrana, ny fandraisan’ny fanjakana any amin’ny firenena vaventy fepetra hiarovany ny sehatra tsy miankina ao aminy ary ny fanjakazakan’ny fanjakana samirery amin’ny fanafarana entana. Santionany amin’ireo olana iainan’ny orinasa manana fifandraisaana ara-barotra amin’ny any ivelany ireo araka ny nambaran’i Léonnel, tale jeneraly misahana ny varotra ivelany ao amin’ny Ministeran’ny varotra.
Hijery ifotony ireo sakana ireo ity departemanta ity amin’ny alalan’ny fanatanterahana fanadihadiana lalina kokoa amina orinasa mpanondrana entana any ivelany miisa 500. Efa-bolana no faharetan’ilay fanadihadiana izay sahanin’ny Cabinet Hermès ary iarahany manatontosa amin’ny teknisianin’ny ministeran’ny varotra sy ny iraka avy amin’ny CCI (Centre de Commerce International) avy any Soisa. Nomarihan’i Léonnel fa tsy ny zava-misy eto amintsika ihany no mila fantarina fa ny momba ny lalàna sy ny fepetra manahirana amin’ny fifaninanana misy any amin’ny firenena mifandray ara-barotra amin’ireo mpandraharahantsika. Nanome toky kosa ny minisitry ny varotra vaovao, Razafimandimby Eva fa handray ny andraikitra tandrify azy ny departemanta rehetra rehefa mivoaka ny valin’ny fanadihadiana amin’ny volana jona. “Ministera maro no manana andraikitra amin’ny resaka varotra ka tsy maintsy hisy ny fifampidinihana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony”, hoy izy.
Sary : Ny minisitra Razafimandimby Eva miaraka amin’ireo teknisianin’ny CCI
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.