Zazavavy kely iray vao 5 taona antsoina hoe Tiana no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana sakafo nisy poizina tao Avaratetezana, vohitra Ampefiloha, Kaominina Ampitatafika ny alahady hariva lasa teo.
Avy amina fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana io zaza io. Nandeha nivoaka ny trano nitsimpona vy sy tavoahangy plastika toy ny fanaony mahazatra izy ireo, asa fiveloman'izy efa-mianaka miaraka amin'ny reniny. Tao anatin'izay indrindra anefa no nahita vary efa masaka tao anaty fonosana plastika izy ireo ka niara-nihinana. Nitaraina ho narary kibo i Tiana kely ora iray taorian'izany raha nalemy tsy nisy afa-nihetsika kosa izy telo mianaka ambiny. Nihombo ny aretin'i Tiana ka tsy tana ny ainy. Nampidirina hopitaly teny amin'ny HJRA Ampefiloha kosa izy telo mianaka ary mbola any hatramin'ny omaly alatsinainy. Naka dokotera teo anivon'ny CSB II Ampitatafika sy zandary ny Kaominina Ampitatafika hanadihady sy hamantatra ny momba ilay sakafo nohanin'izy efa-mianaka ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.