Sainte Marie

> Nahitana grenady telo natsingevan’ny ranomasina indray


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2013

Hafahafa ny zavatra tsikaritry ny mponina any Sainte Marie tato ho ato. Misy grenady mitsingevana amin’iny fari-dranomasin’ny nosy Boraha iny.

Nisy telo indray hitan’ny mponina omaly, ary efa fito izao tato anatin’ny iray volana monja. Toerana anisan’ny mahasarika mpizahatany raha i Sainte Marie. Anatin’ny vanimpotoanan’ny fialantsasatra rahateo izao, mahabetsaka ny olona mivezivezy any. Tandindomin-doza, araka izany, ny fifamoivoizana an-dranomasina amin’ny fisian’itony grenady mitsingevana eny ambony rano itony. Voaelingelina koa ny lalampihariana jono izay anisan’ny foto-piveloman’ny mponina any an-toerana. Fotoana fahatongavan’ny trozona amin’iny fari-dranomasina atsinanana iny koa izao, ka mety hisy fiantraikany amin’ny fahatongavan’ny mpizahatany any an-toerana ny fiparitahan’itony karazana fitaovam-piadiana mahery vaika itony. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa izao ny raharaha, ka ho hita eo ny tena fiavian’ireto grenady ireto.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT