Actualités

Saika hijoko ny vadiny Nofirain’ny rafiny tamin’ny antsy avy aoriana ilay vehivavy


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Ramatoa iray saika hijoko ny vadiny tany an-tranon’ny rafivaviny ny Alatsinainy hariva teo, tokony ho tamin'ny 07 ora sy sasany no nahita loza tsy fidiny.

Raha iny izy mbola variana iny tsy nieritreritra na inona na inona iny mantsy no efa tonga teo akaikiny ilay voatondro ho rafiny. Noratrain’ity farany tamin’ny antsy avy hatrany izy ka naratra mafy ary voatery nentina namonjy hopitaly.Noho ny halalin’ny ratra nanjo azy anefa dia tsy afaka notazonina tao Marojala izy fa tsy maintsy nalefa haingana tany Sambava mba hotsaboina. Samy nitsakoa atsy hita kosa ilay nahavanon-doza tsy ilay rangahy vadin-dRamatoa.

Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

Hijery ny tohiny
FTT