Saďd Ahamad Jaffar, Lehiben’ny Faritra Boeny

> Asa maika miandry azy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Notontosaina tao Mahajanga ny zoma 16 aogositra ny lanonana famindram- pahefana teo amin’ny Lehiben’ny Faritry Boeny teo aloha, Atoa Rasoloniaina Jean Chrystophe Noël, sy ny Lehiben’ny Faritra vaovao, Atoa Saďd Ahamad Jaffar, Administratera sivily.

Niaiky ny Lehiben’ny Faritra teo aloha fa ny tena asam-panjakana dia fifandimbiasan-toeran’ny mpitondra sy fitohizan’ny raharaharam-panjakana. Nahatsapa ny tenany araka ny nambarany, fa  efa nahavita be ho an’ny Faritra Boeny nandritra izay efatra taona niarahany  tamin’ny Lehiben’ny Faritra vaovao izay fony ity farany mbola Sekretera jeneralin’ny Faritra, ary dia nitsodrano ity farany hahavita be ny tenany. Ny Lehiben’ny Faritra vaovao dia  nanome toky ny nodimbiasany fa hanohy ireo asa niarahan’izy mirahalahy ary tsy hikely aina hitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra Boeny. Miandrandra tan-tsoroka ny tenany araka ny nambarany fa tsy ho vitany irery ny adidy miandry azy. Notohizany fa ny asa maika izay ho raisiny an-tanana dia ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana an-drenivohitra sy ambanivohitra izay hojereny miaraka amin’ny mpitandro filaminana. Mandritra izao fialan-tsasatra izao, hoy izy, dia horaisiny an-tanana ihany koa  ny fitandroana ny filaminana sy ny fampiroboroboana ny fizahantany ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT