Roa taona lasa izao dia litanian’ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra ny fitondrana Ravalomanana ny hoe, jadona, tsy misy demokrasia, sahirana ny vahoaka.
Dia raikitra ny fampanantenana samihafa, niainga avy eny Ambohijatovo nitohy teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey ka hatrao an-dapa Ambohitsorohitra, fa hohamoraina ny vidin’ny PPN. Ho 500Ar ny kilaon’ny vary, 2000Ar ny menaka, halalaka ny fanehoan-kevitra ao amin’ny haino aman-jery, tsy isika (FAT) no hanenjika na hanagadra mpanao gazety, hanjaka eto ny demokrasia ary hanokanana Kianja mihitsy eo Ambohijatovo, hahafahan’ny rehetra maneho ankalalahana ny heviny. Roa taona aty aoriana, nivadi-dela ny FAT. Sahirana ny vahoaka, leo krizy ny Malagasy, tsy mandry fahalemana ny any ambanivolo, mitotongana ny toekarena, manjaka ny kolikoly.
Milaza izany ry Lahiniriko Jean (SPDUM), manamafy izany i Herimanana Razafimahefa (Fanarenana), miteny an’izany ry Andritsizehena Benja Urbain (RPSD), raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Samy nametraka io Fahefana Avon’ny Tetezamita io ary ao anatin’izany rafitra izany anefa izy ireo. Izy ireo ihany no tokony hamaly sy hanazava amin’ny vahoaka ny hoe : inona no nataon’izy ireo sy ny nanaovan’izy ireo ity firenena ity ? Toa faly hanilika andraikitra amin’ny tsy manana fahefana na kely aza amin’ny fitantanam-panjakana akory. Ka aoka hazava ny resaka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.