Tsy mitsaha-mitombo tato ho ato, araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra entana tonta iray etsy Isotry, ny isan’ireo olona tonga manatitra na mivarotra izany ao aminy.
Mahatratra dimy isan’andro izany raha kely indrindra ka ny kojakojan-tokantrano toy ny vilany sy lovia sy sotro no tena betsaka. Tsy latsa-danja amin’izany ny “salon complet” sy ny frigo ary ny bahut. Misy amin’ireo tompon’entana no mivarotra avy hatrany ka ilay mpivarotra indray no maka tombony avy eo raha misy koa ireo mametraka entana fotsiny dia ny 10%-n’ny vidin’entana no omena ilay mpivarotra avy eo. Olona very asa vokatry ny krizy na tra-pahasahiranana tampoka amin’ny ankapobeny no tena tompon’ireny entana ireny. Na izany aza anefa misy ihany ireo mila vola tampoka ka mivarotra lamban-databatra kely ohatra na sotro miisa enina mba hividianana vary ao an-trano na menaka na savony.
Araka ny fanadihadiana natao ihany dia vehivavy ny ankamaroan’ireo tonga mivarotra ny entana ao an-tranony eny amin’ireny mpivarotra entana tonta ireny. Ireo entana lehibe toy ny “salon complet” na ny frigo kosa dia tsy maintsy iarahan’ny mpivady, araka ny nambaran’ity mpivarotra entana tonta ity ihany. Ny fanadihadiana natao ihany no nahafantarana fa tsy mahatratra ny antsasaky ny vidin’ilay entana tamin’ny vaovao akory no ividianan’ny olona azy rehefa hamidy eny amin’ny tonta. Misy amin’ireo karazana entana anefa no nalain’ny tompony tany amin’ireo magazay lehibe izay nandoavana vola an-taonany maro vao vita. Mahavelona ihany moa ity asa ity amin’ny ankapobeny saingy rehefa tsy hisy ny tsena araka ny nambaran’ity mpivarotra iray ity ihany dia tena tsy misy tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.