Actualités

Sahantona Mandritsara Trano 34 tafo nodoran’ireo mpitandraka volamena


  • Alarobia 14 Desambra 2022

Zava-doza no niseho tao Sahantona Mandritsara omaly. Trano manodidina ny 33 tafo no fantatra fa nodoran'ireo Antandroy tonga mitrandraka volamena ao an-toerana.

Vokatry ny fifanaliana nisy teo amin’izy ireo sy ireo fokonolona no fantatra fa nahatonga izany. Saika handeha hanakatona ilay kariera mantsy ireo fokonolona. Be loatra hoy izy ireo ny tsy filaminana miseho aty amin’ny tanananay toy ny resaka fandriampahalemana, ny tabataba, ny tsy fanajana ny rafi-piaraha-monina. Tezitra noho izany ny an-daniny ka raikitra ny fifamaliana sy ny fifandonana. Nomarihin’ireo mponina any an-toerana moa nandritra ny fandalovan’ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-misy fa tokony hakatona mihitsy ireo kariera ity mba hampilamina ny tananany. Tsy nisy ny aina nandritra ilay fahamaizana saingy ny herim-pon’ireo mponina an-taonany maro kosa no lasa lavenona tampoka tsy fidiny ny ankamaroany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT