Sady nanolana no nandatsaka aina

> Nidoboka eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza


  • Zoma 20 Septambra 2013

Natolotra ny fampanoavan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo omaly ilay rangahy, 35 taona, nanolana sady namono zazavavikely 4 taona sy 3 volana ny sabotsy lasa teo ary hita faty teny Ivanja Ambohitsoa ny alahady.

Namoaka didy savaranonando ny mpitsara, mametraka azy any amin’ny fonjan’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Zaza tonga hiala sasatra teny amin’ny renibeny teny Andrefan’Ambohijanahary ity niharan’ny herisetra ara-nofo ity, ka bisikitra no nandrebireben’ilay rangahy azy. Ity farany koa dia tsy iza fa olona eo tanàna sy irakiraky ny renibeny ihany, ka tsy nisy nanampo azy ho nanana eritreri-dratsy tamin’ilay zaza. Voalohan-janaky ray aman-dreniny ity voaolana ity, manan-jandry vao amam-bolana izy. Eny Ampitatafika izy ireo no mitoetra. Nalevina tany Antanifotsy tanindrazany omaly ny vatana mangatsiakany, saingy tsy natrehin’ireo ray aman-dreniny noho ilay fomba : tsy mandevin-janaka, ny fitsarana rahateo tsy maintsy natrehina. Raha ny fanirian’izy mivady dia migadra mandra-pahafatiny ity lehilahy namono an-janany ity. Ireo mpanatrika sy ny mpiara-monina amin’izy ireo kosa dia efa nisy nifamotoana ho eny amin’ny fitsarana hamono sy hampihatra ny fitsaram-bahoaka amin’ity lehilahy ity noho ny hatezerana diso tafahoatra.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT