Lehilahy iray 51 taona, nisandoka ho commissaire divisionnaire de Police no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny commissariat central Sabotsy Namehana ny sabotsy 9 jolay 2016 lasa teo.
Rehefa mahita polisy manao PR eny Anosiavaratra izy dia asainy ampahafantarina amin’ilay polisy fa commissaire divisionnaire Clement izy ary conseiller technique eny amin’ny primature. Mody miantso ny chef SUT sy ny commissaire central ny tenany eo imason’íreo polisy miasa ireo. Milaza ihany koa izy fa « chargé de mission à la commission de sécurité et Défense nationale, aménagement de territoire et gestion des affaires » nandritra ny tetezamita. Tonga teny amin’ny commissariat central Sabotsy Namehana ilay mpisandoka nilaza fa hamoaka olona notazonina violon. Mailo ny polisy tao an-toerana ka nanao ny fikarohana ny momba ny voalazany. Rehefa natao ny fizohiana dia tsy misy izany akory eny amin’ny primature. Notazonina avy hatrany ilay mpisandoka. Tamin’ny fisavana natao taminy dia nahitana karazana karatra maromaro teny aminy, karatra misy anarana fa ny nomerao no miovaova. Tamin’ny famotorana natao dia nilaza izy fa zanaka mpitandro ny filaminana efa nisotro ronono. Natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy teo ny lehilahy ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.