Actualités

Sabotsy Namehana Tapa-bolana tsy nisy rano, iharan’ny barofo ireo manana vovo


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Efa ho tapa-bolana latsaka izao tsy nisy rano fisotro madio nitete intsony na dia iray sotro aza ireo paompin-drano fisotro madio ao Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Tapaka tanteraka ny rano ary tsy mbola nisy ny fanazavana matotra nentin’ny orinasa JIRAMA hoy ny fitarainan’ireo mponina. Mahatsiaro ho sorena vokatr’izany ireto farany hoy ny vaovao ka tsy misy mifampiera intsony fa avy hatrany dia miditra any amin’ny tananan’ireo manana vovon-drano. Tratry ny barofo mihitsy ireto farany. Samy mila rano avokoa mantsy ny isan-tokantrano eny fa na dia handrahoan-kanina fotsiny aza. Izany fanasan-damba sy fanadiovana ireo karazana kojakojan-tokantrano izany moa dia tsy misy intsony. Izay rano hohanina sy hisasana sisa no hatao laharam-pahamehana ho fanavotana ny aina sy ho fampandehanana amin’ny fiainana andavanandro. Nanambara moa ireo mponina fa raha mitohy izao krizin-drano iainan’izy ireo izao dia mety hitohy any amin’ny fitokonana faobe ihany mba hahatonga saina ny orinasa JIRAMA.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT