Actualités

Sabotsy Namehana Hiakatra fitsarana ny Ben’ny tanŕna ?


  • Zoma 10 Jona 2011

Ampangain’ny mponina sasantsasany ao Sabotsy Namehana ho manampatra fahefana ny Ben’ny tanŕna sy ny mpiara-miasa aminy vitsivitsy.

 Resaka fandaminana ny tanàna miaro fakana tanin’olona no niandohan’ny disadisa nanomboka ny volana oktobra 2008 raha ny fitarainan’ireo mponina ireo. Ny tany mitondra ny anarana “villa Soanavela” sy ny “villa Manampisoa” amin’ny sisin-dalana roa mialoha ny fidirana ny tanànan’i Sabotsy Namehana raha avy aty Ankadikely no voakasik’ity raharaha ity. Raha ny fanazavan-dRtoa Razafindramboa dia noteren’ny mpitantana ny Kaominina hamadika ho trano biriky ny tranony avokoa ireo tompontrano ao anatin’ny faritr’ireo tany ireo tamin’io fotoana io. Tao anatin’ny iray volana no tsy maintsy namitana ny asa araka ny baiko nomena azy ireo. Noho ny fandaminana dia nanaiky nanatanteraka ny fanajariana ireo tompontrano na dia maro aza no tsy nanana ny enti-manana nanatanterahana ny asa araka ny fitantaran’ity ramatoa ity ihany. Gaga anefa izy ireo fa dia nahena ny refin-taniny.

Tsy nisy afaka nanao na inona noho ny tahotra. Tapaka lalan-dra noho ny hataraina ny vadin-dRtoa Razafindramboa ary tsy tafatsangana hatramin’izao. Nalaina avokoa mantsy ny antsasaky ny taniny ary ampiasain’olon-kafa, nanorenana orinasa kely momba ny taovolo. Milaza ho manana ny titra vonjimaika avy amin’ny fanjakana anefa ireto mponina ireto. “Tanim-panjakana fa tsy an’ny Kaominina ny villa Soanavela sy ny villa Manampisoa ary efa nahazoana titra vonjimaika rehefa nangatahanay. Mitondra ny laharana 20844B izao ity anay ity”, hoy Rtoa Razafindramboa. Ankoatra azy dia maro amin’ireo mpiray vodirindrina aminy koa no mitaraina toa an-dRakotomanana Louis. Nanesorana iray metatra avy koa mantsy ny ilany atsinanana sy atsimo amin’ny taniny. Nitory noho ny fanamparam-pahefana sy ny kolikoly teny anivon’ny Bianco ireto mponina ireto ary niakatra teny amin’ny fitsarana ny raharaha saingy nahazo fahafahana vonjimaika ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainy enina. Amin’ny 28 jona ho avy izao no andrasana ny valin’ny Fitsarana. Niezaka nanatona ireo voatonontona ho tomponantoka amin’ity tranga ity dia ny Ben’ny tanàna ny gazety Tia Tainindrazana omaly saingy tsy tao amin’ny birao ny tenany. Nambaran’ny sekreterany fa namonjy fivoriana taty an-drenivohitra izy.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT