Actualités

Sabotsy Mainty Nilamina Antananarivo


  • Alatsinainy 29 Jolay 2013

Nahomby ny paikadin’ny Emmo-Reg. Nangingina teto an-drenivohitra ny sabotsy 27 jolay teo rehefa nandre ny filazana mialoha fa misy mikotrika “Sabotsy Mainty”.

Ireo tsy maintsy nivoaka ny trano noho ny filana, na manana anton-draharaha tsy azo ialana no nivezivezy na hita ho hendratrendratra ihany aza ireo nandalo an’Analakely sy Behoririka iny. Hita taratra tao Antsirabe ihany koa ny tsaho momba ny Sabotsy Mainty teto Antananarivo io raha ny zava-nisy no jerena. Saika niatrana nanerana ireo toerana maro olona mivezivezy ny mpitandro filaminana tao an-toerana io sabotsy io, ankoatra ny fivezivezen’ireo 4X4 misy soratra Emmo- Sécurité roa an’ny Zandary sy ny polisy. Efa lasa mahazatra ny mponina moa ny fihetsiketsehana be ataon’izy ireo rehefa misy tsaho toy ireny, indrindra fa tamin’ilay resaka OPK farany teo ka toa tsy dia manaitra firy ny mponina intsony. Ireo tantsaha izay marobe rehefa sabotsy no hita ho gagagaga sy talanjona mitazana azy ireo ka mitsiriritra fotsiny noho ny tsy fandriampahalemana iainan’izy ireo any ambanivohitra amin’izao fotoana. Na izany aza moa dia tsy nahenoana trangana savorovoro na teto an-drenivohira na tao Antsirabe tamin’io fotoana io fa nilamina tanteraka.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT