Actualités

Sabata Mainty Nisambotra zandary sy polisy ny Emmo-Reg


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Ny eo tsy mivoaka, ny hafa asesika ihany ! Tsy maintsy nisambotra ny Emmo-Reg rehefa tototry ny fanakianana taorian’ny fanambarana nataony ny talata 23 jolay lasa teo fa misy mikotrika Sabata Mainty (Samedi Noir), ka handrehitra an’Antananarivo.

Nilaza ny kolonely Rakotomahanina Florens, lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary Faritany Antananarivo fa misy olona hanao fanamiana miaramila mitondra basy hitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana eny Ambohijatovo ny sabotsy 27 jolay 2013. Efa fantatra ny olona hanatanteraka izany, hoy ity lehiben’ny Emmo-Reg ity na tsy nitonona anarana aza izy. Teo no nanakianan’ny maro ny mpitandro ny filaminana, hoe maninona no tsy samborina avy hatrany raha efa fantatra ? Omaly dia nampahafantatra fa olona roa, zandary manamboninahitra ny iray ary polisy efa tsy amperinasa intsony, no efa voasambotr’izy ireo ary atao fanadihadiana. Misy miaramila iray mbola karohina, araka ny nambarany.

Asa anefa na misy ifandraisany amin’ny nisamborana ireo olona ireo, na antony hafa fa dia nanaovan’ny zandary avy amin’ny sampana manao fikarohana heloka bevava, be midina ny tranon’i Fanomeza, izay Polisy niasa tao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana teo ambany fifehezan-dRalitera Andrianandraina ary niara-voasambotra tamin’ity farany tamin’ireny raharaha 2009 ireny. Tonga hanao fisavana ny tranony teny amin’ny toeram-ponenan’ny Polisy eny Antanimora ireto andiana zandary ireto. Araka ny fantatra dia ny zanany tsy ampy taona no tao an-trano amin’ny fotoana nahatongavan’ireto iraka eny Fiadanana ireto, fa tsy tao an-trano ilay raim-pianakaviana. Araka ny loharanom-baovao io ihany dia tsy niroso tamin’ny fisavana ireo zandary ireto fa ilay Polisy no tena tadiavina, ary nasaina niseho tany Fiadanana omaly tamin’ny dimy ora hariva. Raha ny fantatra anefa dia tsy nipoitra tany ny tenany.

Tsy eto an-drenivohitra sa voatery niafina ? Mety ny hisambotra ka hitazona azy rahateo no ao ambadiky ny fihetsik’ireo zandary nisisika ny hahita azy fa tsy niroso tamin’ny fisavana ny tranony avy hatrany. Mpanohana an’i Marc Ravalomanana ary anisan’ireo mpitarika mafana fo etsy amin’ny Magro Behoririka i Fanomeza. Raisin’ireo mpiara-mitolona aminy ho fanaovana antsojay, mba handemena ny herin’ny ankolafy Ravalomanana izao tranga izao. Tsy nisy iray volana rahateo izay no noterena tsy hisahana ny fiarovana manokana an-dRtoa Lalao Ravalomanana, izay kandida filoham-pirenena, i Jean Marc Koumba, dia izao miseho lany indray koa ny fikasana hampiditra am-ponja ny mpanohana ity kandida ity. Hitondra any amin’ny fitoniana ve izany  ? Ny tondrozotra rahateo milaza ao amin’ny andininy faha-16 ny tokony hampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT