Anisan’ny namarika ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy tamin’ity taona ity tao Toamasina ny fifaninanana “Miss Maman” izay nandraisan’ireo vehivavy manambady sy manan-janaka ary mpiasa anjara.
Hetsika natao tao amin’ny trano fisakafoanana “L’Univers”. Nizara efatra ny fomba fandraisana anjara tamin’izany, ka teo amin’ny sokajy itambarana dia azon-dRtoa Joelle Odile Virginie, 36 taona, manan-janaka 02 ny loka voalohany, raha Rtoa Clémentine, 34 taona, ny faharoa, ary Rtoa Judicaelle, 38 taona, ny nahazo ny laharana faha-03. Raha ny teo amin’ny sokajy “Maman” latsaky ny 30 taona kosa dia Rtoa Rasoaniaramanana Nathacha no nandrombaka ny voalohany, raha Rtoa Rasoa ny teo amin’ny 40 – 50 taona, ary Rtoa Mamaliza Elisabeth kosa ny teo amin’ny 50 taona no mihoatra. Ny resaka hatsaran-tarehy, fiakanjo andavanandro sy mamonjy lanonana ary fanatanjahantena niampy ny fanontaniana momba ny fanambadiana sy tokantrano no nitsarana ireto “Miss Maman” ireto. Nilaza ho afa-po, Rtoa Dozy Lucienne ny mpikarakara ny hetsika.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.