Tanterahana isan-taona, isaky ny datin’ny 27 mey ny hetsika FAROY na Famerenana ny hasin’ny rovan’Ilafy.
Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny kolotsaina, ny hetsika natao teny amin’ny Rovan’Ilafy ny faran’ny herinandro teo ka nitarika izany ny minisitry ny kolontsaina sy ny Vakoka, Jean Jacques Rabenirina notronin’ireo manampahefana sivily sy miaramila ary ny solontenan’ny fikambanamben’ny Andriana sy ny taranaka mpanjaka. Ankoatra ny kabary nifandimbiasana dia nisy koa ny fampirantiana notanterahana teny an-toerana ka nandray anjara tamin’izany ireo fokontany 18 mandrafitra ny kaominin’Ilafy. Asa tanana sy ny zavatra mampiavaka ireo fokontany isanisany sy iny faritra iny no hita tao. Nampahatsiahy i Jean Jacques Rabenirina fa nandritra ny naha minisitry ny kolontsaina azy voalohany tamin’ny fitondrana Ravalomanana no nametrahana ny Rovan’Ilafy ho vako-pirenena sy vakoka iraisam-pirenena. Nanome toky ihany koa izy fa hasiana fefy ireo Rova rehetra ato anatin’ny faritra Analamanga ary tokony hiezaka ny rehetra hifanome tanana amin’ny fikojakojana ny vakoka tahaka ireny. Tanjon’ny minisitera moa ny fiarovana ny vakoka rehetra manerana ny nosy. Miara-miasa akaiky moa ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny minisiteran’ny fizahantany satria anisan’ny mahasarika vahiny tonga mitsidika an’i Madagasikara tokoa ny vakoka tahaka ny Rovan’Ilafy. Farany dia fantatra fa efa tafaverina eto Madagasikara, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina ilay sotrokely fampiasan’ny mpanjaka vavy Ranavalona III izay mpitahiry vakoka Aostralianina iray no namerina azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.