Nanerika matevina teto an-drenivohitra tato anatin’ny roa andro izao. Tsy tokony hahagaga fa mpitranga rehefa vanim-potoan’ny ririnina ny tahaka izany hoy ny avy eny amin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro.
TIKO
Naato aloha ny fandraisana CV eo anivon’ny orinasa TIKO. Tsy azo idirana intsony ny Magro Ankorondrano ary efa voarindrina mihitsy ny vavahady. Mbola eo am-pandinihana ny ho tohin’ny zavatra hatao ny mpitantana ny orinasa TIKO, raha araka ny fantatra.
DELESTAZY
Mbola nitohy ny sabotsy sy omaly alahady ny fahatapahan’ny herinaratra tamina faritra maro eto an-drenivohitra. Tsy fahampian’ny herinaratra vokatra moa no fanazavana nomen’ny Jirama hatreto ary efa nisy ny fametrahana fitaovana vaovao hamahana ny olana, saingy mbola misy ihany ny delestazy.
FANADINAM-PANJAKANA
Efa vita avokoa ny fiomanana rehetra hiatrehana ireo fanadinam-panjakana roa voalohany amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Hotanterahana ny 5 jolay ny CEPE raha toa ka atao ny 18 ka hatramin’ny 21 jolay kosa ny BEPC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.