Miverina indray ny olana eny amin’ny anjerimanontolo amin’izao fotoana izao. Nanao fitokonana indray mantsy ny mpianatra eo anivon’ny Fakiolten’ny Siansa sy ny ENS omaly alatsinainy 18 jolay 2106.
Raha ny vaovao azo dia antony roa no nahatonga ny hetsika. Voalohany, ho an’ireo mpianatry ny ENS dia tsy faneken’izy ireo ny sazy azon’ny mpianatra iray ao aminy vokatry ny fikasihan-tanana mpiambina eny amin’ny oniversite no antony.
Niakatra “CODIS” io mpianatra io ka nahazo sazy tsy afa-mianatra nandritra ny 2 taona ka nitaky ny hanafoanana izany izy ireo. Tetsy an-kilany kosa, olan’ny mpianatry ny Siansa ny resaka vatsim-pianarana sy ny tsy fahatafidiran’ny anaran’ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany ao anaty lisitry ny mpianatra mahazo vatsim-pianarana. Nifanojo teny Ankatso ireo vondrona roa ireo ka dia niara-dalana nanao ny fitokonana. Nidina teo amin’ny fiantsonan’ny taksibe zotra 119 toy ny mahazatra. Nandoro kodiarana sy nanimba ireo toerana fiandrasana fiara izy ireo avy eo. Tsy afaka nifamezivezy teny an-toerana ireo zotra 119 sy ireo mpitondra fiara nanana dia aleha teny an-toerana. Voatery nanakatona ny tsenany ireo mpivarotra teny an-toerana. Tonga teny an-toerana moa ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana ary vao mainka naharomotra ireo mpianatra ka raikitra ny tora-bato, izay efa fomba fanao eny an-toerana rehefa misy ny fitakiana. Tetsy an-kilany dia nandefa baomba mandatsa-dranomaso ireo mpitandro ny filaminana mba hanapariahana ireo mpianatra. Tsy nisy kosa ny voasambotra raha ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Nirava ihany ny hetsika ny tolakandro ary andrasana ny mety ho tohin’ny fitakiana anio.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.