Rosia

> Misedra olana ara-bola ny mpianatra Malagasy


  • Talata 18 Martsa 2014

Mirataraina noho ny zavatra iainany any Rosia ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana amin’ny oniversite any an-toerana.

Nambaran’izy ireo fa vatsim-pianarana Rosiana no nandehanan’izy ireo any, ka manampy amin’ny vola 1.200 roubles vola Rosiana (40 dolara) ny fanjakana any an-toerana. Tena tsy ampy izany, hoy ireto mpianatra noho ireo zavatra tsy mantsy amoaham-bola maro. Anisany, araka ny fanazavana nalefan’ireo mpianatra teto anivon’ny gazety Tia Tanindrazana ny hofan-trano 9.000 roubles isan-tana (300 dolara), ny fiahiana ara-pahasalamana 7.500 roubles isan-taona (250 dolara), fanalavana ny “visa” 1.500 roubles (50 dolara), ny saran-dalana mandeha mianatra 12.000 roubles (400 dolara), ny fitafiana amin’ny andro mangatsiaka sy ny sakafo isam-bolana izay andaniana 100 dolara isany. Nisaoran’izy ireo kosa anefa ny fanampiana 250 dolara alefan’ny fanjakana Malagasy isan-taona ho azy ireo. Hangatahan’izy ireo hakarina ho 1.000 dolara isan-taona anefa io fanampiana io no fa tena mijaly ireo mpianatra Malagasy any Rosia ireo noho ny fiantraikan’ny krizy tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo. Tsy maharaka intsony ny fanampiana azy ireo any an-toerana, nefa te-hanan-janaka tafita sy hahazo mari-pahaizana avo lenta avy any ivelany. Manantena ireto mpianatra malagasy any Rosia ireto ny hijeren’ny fanjakana vaovao misy ny momba azy ireo, satria raha ho vita ny fianaran’izy ireo dia ny fanompoana ny tanindrazana no antom-pisian’izy ireo mandranto fianarana any Rosia.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT