Actualités

Rongony tratra tany Ihosy Fiarana manampahefana no nitondra azy


  • Zoma 06 Mey 2016

Rongony 30 gony be izao tratra nentina fiara 4x4 efatra tany Ihosy. Voalaza fa ana manampahefana ireo fiara ary minisitra iray ao anaty governemanta mihitsy no voatonontonona.

 

 Misy loharanom-baovao hafa koa anefa milaza fa solombavambahoaka voafidy tany amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny no tompon’ny fiara. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana ka ho hita eo izay ambaran’ny mpitandro ny filaminana satria tsy maintsy manan-tompo ireo fiara ireo ary efa voaomana ny zavatra natao. Ny andrasana koa dia ny fisian’ny tatitra mangarahara momba ny raharaha tahaka izao fa hatramin’izay mantsy dia mifarana eo amin’ity hoe mandeha ny fanadihadiana ity ny zava-drehetra, indrindra fa raha manampahefana, na fianakaviana mpitondra na olona mahitahita no voatonona anarana ao anatin’ny afera. Tondro iray izay hahafahana milaza fa ny mpitantana mihitsy no manao kolikoly sy mampirisika ny fanapariahana azy eto amintsika. Rehefa manao ny lehibe dia mba maka izay tandrify azy koa ny madinika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT