Olona 8 no nampidirina am-ponja vonjimaika omaly, anisan’izany ilay assistant parlementaire ary nodorana avokoa ireo rongony 135 lasaka tra-tehaka tao anatina fiarana manampahefana tao Ihosy, izay no vokatry ny fitsarana omaly tany an-toerana.
Fantatra ihany fa niditra an-tsehatra amin’ny fanadihadiana ny momba ity raharaha ity ny fiadidiana ny Repobilika. Manamboninahitra jeneraly zandary iray no nanamarika fa nahazo teny avy teny amin’ny Fiadidiana ny Repobilika ny tsy hilefitra mihitsy na amin’ny ramatahora na amin’ny fanaovana kolikoly fa hanatanteraka amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fitadiavana ny tena marina rehetra momba ity raharaha rongony tany Ihosy ity. « Voaray soa aman-tsara ny baiko ary hotandremana toy ny anakandriamaso na dia tsy izahay mivantana aza no mandray an-tanana ny raharaha. Inoako marimarina ihany koa fa nahazo io baiko am-bava io ny polisim-pirenena ka dia ho hita eo ny vokatry ny fanadihadiana », hoy ity manamboninahitra jeneraly ity. Fantatra ihany koa fa misy amin’ireo fiara nampiasaina nitondrana ny rongony no misoratra amin’ny ministeran’ny asa sy asam-panjakana ary ny iray amin’ireo valo lahy voasambotra dia fianakaviana akaikin’ny minisitra Maharante Jean de Dieu. Betsaka moa ny resaka mandeha saingy aorian’ny fanadihadiana irery ihany no hahafantarana izay tena marina. Na izany aza, mampieritreritra ihany ity fahatrarana rongony tampoka tao Ihosy ity sy ny fihazakazaky ny fanadihadiana sy ny fitsarana ka mahatonga ny tombatomban’ny mpanara-baovao politika hanao hoe : mety te hanararaotra izao zava-misy izao izany ny fiadidiana ny repobilika hanilihana izay minisitra efa ela no nanome endrika ratsy governemanta . Azo heverina ihany koa anefa fa mety paikady hampisehoana eo imason’izao tontolo izao indrindra amin’izao an-katoky ny fahatongavan’i Ban Ki Moon, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara izao fa manjaka eto Madagasikara tokoa ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna ka ambanin’ny lalàna avokoa na olon-tsotra na minisitra. Mazava ny resaka eto izany fa mihozongozona ny sezan’ny minisitry ny asa sy asam-panjakana ary ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu na ahoana na ahoana fiarovan-tenany, ary mety izy no ho atao sorona hapitika mba hampanginana haingana ity raharahan-drongony ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.