Actualités

Rongony avy aty Madagasikara Heroine 3kg tratra tany Italia


  • Alatsinainy 18 Jolay 2016

Afabaraka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray i Madagasikara satria zava-mahadomelina na rongony amin’ilay tena mahery vaika antsoina hoe Heroine 3 kg tombanana ho mitentina 150 000 euros avy aty Madagasikara no tra-tehaky ny polisin’ny sisin-tany tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Catane –Sicile any Italia ny faran’ny herinandro teo.

Tao anatin’ny entana mpandeha, vehivavy teratany Nizerianina, niainga avy aty Madagasikara ka nandeha ny zotra Turkish Airlines ity tratra tany Italia ity. Tsara afina tao anaty valizy ilay rongony saingy hita ihany. Somary kaodikaody ihany koa ilay vehivavy ka nanaitra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny seranam-piaramanidina izany. Na nibAanaka indray ny teny Ivato na nisy kolikoly avo lenta tao nanampenana ny mason’ny mpanara-maso ka tafiditra tany anaty fiaramanidina ny entana. Hentitra dia hentitra anefa ny fanaraha-maso any Italia satria henjana ny ady amin’ny Mafia sy ny trafikan-drongony any an-toerana koa dia zao tratra izao ny nafenina. Matetika no efa any ampitan-dranomasina foana vao tratra ireo karazan’entana avoaka an-tsokosoko sy anaovana trafika eto Madagasikara. Fa gaboraraka tanteraka ve ny seranam-piaramanidina Malagasy ? Mety tsy ho izay loatra fa ny kolikoly no manjaka ka rehefa misy ny vola sy ny olom-pantatra manana fahefana dia tafavoaka eny Ivato daholo izay tiana havoaka rehetra. Hisy moa ny fanovana tanteraka ny fomba fiasa eny Ivato amin’ny resaka fisavana sy fametrahana ny filaminana ary ny fanaraha-maso izay iaraha-miasa amin’ny Amerikanina ka ho hita eo. Ho tafaperaka mialoha ny fivorian’ny frankôfônia amin’ny volana novambra izany.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT