Actualités

Rongony avy any Ihosy 15 kg indray no tratra tao Antsirabe


  • Talata 19 Jolay 2016

Mirongatra ny trafikan-drongony avy any atsimon’ny nosy any tato ho ato ary isan-kerinandro dia misy tratra hatrany ao Antsirabe.

Ny marainan’ny alahady teo tokony ho tamin’ny 4 ora dia nahasarona rongony indray ny avy amin’ny polisin’ny UIR Antsirabe. Nambaran’ny Ofisie Rajary Zonarison Ladison fa fisavana tsotra efa fanao, saingy izay efa nohamafisina no natao ka nahatrarana izany. Tokony ho 15 kilao ireo rongony tratra, izay nentina tamin’ny kitapo kely roa ka natao tanaty sakaosy ary ny hafa dia nozairina tamin’ny gony mba ho toy ireny akanjo ireny ary anaovana sy notsindriana akanjo mafana amboniny saingy sarona ihany. Olona roalahy izay mpizaodahy no nitondra ny entana. Tao Ihosy izy ireo no niainga. Saika isan-kerinandro dia sarona avokoa izay nandalo tao Antsirabe. Natolotra ny fitsarana avy hatrany izy miaotra taorian’ny fanadihadiana natao taminy. Mahalasa saina ny maro ny tsy ahitan’ny mpitandro filaminana izany avy any Ihosy hatrao Antsirabe kanefa dia sakana maro no lalovan’ny fiara. Sa ny mpitandro filaminana no tsy manao ny asany ?

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT