Actualités

Rongony 8 gony tratra tao Ihosy Inspecteur de police no nitondra azy


  • Alarobia 18 Mey 2016

Natolotra ny fampanoavana omaly tany Ihosy ilay polisy iray 44 taona. Mpanao varomaizina rongony, miasa ao Fianarantsoa, mitondra ny galona « inspecteur de police » no tra-tehaky zandary Bemoto (brigade de sécurité routière) ao Ihosy nitondra rongony miisa valo gony, ny sabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, tao Ankily Ihosy, amin’ny lalam-pirenena fahafito iny sy ny mpamilin’ilay fiarabe.

Nafatratra tao anaty fiara iray « Renault Express fourgonnette » izay nentin’ity mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily ity ny telo gony tamin’ ireo rongony, raha nentina fiarabe « semi-remorque » iray nanaraka azy avy tao aoriana kosa ny ambiny amin’ireo « jamala » dimy gony, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha. Raha ny fantatra hatrany dia avy any Kelivao Betroka ireto rongony saron’ny zandary tao Ihosy ireto, ary saika hamidy tao Fianarantsoa. Nogiazana ary nampidirina “fourrière » kosa ireo fiara.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT