Actualités

Rombo tetsy Ampefiloha Minisitra taloha niditra an-tsehatra !


  • Alatsinainy 16 Mey 2011

Nentim-po tanteraka ity minisitra teo aloha raha nahazo antso an-tariby fa nisy nikasi-tanana ny havany, zanak’anabaviny raha araka ny vaovao.

 Ny zoma hariva tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo dia raikitra ny adiady teo amin’ny samy tanora. Tsy vitan’ny totohondry fotsiny izany fa tonga hatrany amin’ny fifampitsatohana antsy. Raikitra ny fifanenjehana eran’Ampefiloha ary samy nisy naratran’ny zava-maranitra ny roa tonta. Tonga teny am-poto-tsofin’ilay minisitra teo aloha izany ka nampitsangana azy teo am-pandriana ary nidina an-tsehatra avy hatrany niaraka tamin’ny fanamiana miaramila. Tonga teny ihany koa ny polisy ary nanao fanadihadiana rehefa nandre fa havan’olona ambony ny voakasika. Tsy niandry ela fa nosamborina ny mpiambina parking izay tsy misy idirany velively saingy io no nasaina nanao vavolombelona.

Nasaina nanondro olona io mpiambina io ka tanora efatra no indray voasambotra. Tezitra ny olona satria tsy marim-pototra ny nolazain’io mpiambina io, raha araka ny filazan’izy ireo. Ny antony dia noho ny filazana fa nokasihan-tanana io mpiambina io dia noterena hiteny, hany ka namorona. Raha ny filazan’ireo ray aman-drenin’ireo tanora voasambotra indray dia tsy nety nandray ny fitorian’izy ireo ny polisy. Samy nisy naratra anefa na ny andaniny na ny ankilany. Manahy, araka izany, ireo mponin’Ampefiloha ireto fa tsy mitovy ny fandehan’ny fanadihadiana eo amin’ny roa tonta.

 

r.d

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT