Actualités

Rombo tany Toamasina Am-polony ireo naratra


  • Zoma 17 Jona 2016

Milamina hatrany ireo mpiasan’ny kaominin’i Toamasina I mitokona mitaky ny karaman’izy ireo tsy azo, ary tsy manakorontana ny asan’ny kaominina , omaly anefa tonga indray ireo “Gros Bras” voatondro fa olon’ny ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka ary nila vaniny sy nihantsy ady tamin’ireto mpiasan’ny kaominina ireto.

 

 Vokany, nisy mpiasa am-polony naratra, izay vehivavy ny ankamaroany. Mpiasa telo hafa indray dia ny talen’ny fitantanana ny mpiasan’ny kaominina mihitsy no namely tehamaina sy totohondry azy ireo teo imason’ny mpitandro ny filaminana, izay milaza ny hitory noho ny fikasihan-tanana azy ireo sy ny fandratrana azy an-tsitrapo ihany koa. Tsy vitan’ny resaka ny nataon’ireto “gros bras” notarihan’ny talen’ny fiarovana ny kaominina fa tonga hatramin’ny fangalarana finday sy solomaso manokan’ireto mpiasa mitokona. Voatery niditra an-tsehatra naka ireo finday nangalarin’ireto andian-jatovon’ny kaominina ny zandary ary namerina izany tamin’ny tompony. Raha ny zava-misy ihany koa dia saika nisy fandoroana ny fiaran’ity mpikamban’ny filankevitry ny kaominina ity no mbola mpiasan’ny kaominina ihany koa. Ny antony, araka ny fanazavana azo, dia ny tsy faneken’ity mpikamban’ny filankevitry ny tanàna ity nanaisotra ny fiarany teo an-tsisin-dalana avaratry ny lapan’ny tanàna izay voalaza fa manelingelina ny mason’ny ben’ny tanàna, hono, ny mahita azy. Nisy mihitsy moa ny fangatahana hanao “iray sy iray” avy amin’ingahy ben’ny tanàna tamin’ity mpanolotsain’ny kaominina ity. Ankoatra izay, efa mandrahona ny hanakorontana ny fetim-pirenena ireto “gros bras” ireto, raha misy ny fisamborana ireo namany amin’ireo fitoriana ho an’ny mpiasa mitokona izay voakasi-tanana omaly.

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT