Actualités

Rolly Mercia Amin’ny jona 2024 vao ho afa-bela


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Ny jolay 2020 no nadoboka am-ponja ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nitsotra i Mamy Ravatomanga izay mpampiasa teo aloha fa tena nitory azy tokoa,

fa hoe nanao fijoroana vavolombelona sandoka niaraka tamina fikambanana tany Frantsa izy. “Nanoratra fifonana tamiko izy, tokony hieritreritra lalina mialohan’ny zavatra, hoy ity mpandraharaha ity. Nangataka famelana izy, ny asan’ny tribonaly asany, dia anjarany ny manapa-kevitra amin’ny resaka ady heloka. Tao anatin’ny taona maro no nanimbana ny hajako, fampahatsiavina no ataoko fa tsy valifaty. Tsy manana olana aho, fa mba misy kosa fiainana, misy fianankaviana, olona 4000 ny olona ampiasaiko ka tsy potehiko amin’izao. Tsy hoe vitan’ny fifonana fotsiny…. Notezaina tamin’ny finoana kristianina anefa aho, tsy manana olana intsony aminy aho fa tsy afaka “mi-assumer” ny fianankaviako, ny zanako tsy nahita ny tsy fahitany teto an-tany,... Manana ny fahaleovantenany ny fitsarana dia izy no mahita ny tokony hataony. Tsy azo sintonina intsony fitoriana satria izy efa voaheloka”, hoy i Mamy Ravatomanga. Fitoriana mikasika ny hoe: famotsiam-bola, trafikana boaderozy, hosoka ara-ketra,… moa no isan’ny nanenjehana an’i Mamy Ravatokamanga, izay toa alahelony ny fitoriana sy fijoroana vavolombelona nataon’i Rolly nalefa tany amin’ny PNF (Pôle national financier) tany Frantsa, ary nisintona izany tato aoriana. “Nogiazana ny fananako, ireo izay trano novidiako ho an’ny zanako telo tamin’ny 2008. Tonga teto ny iraka nanao fisavana ny tranoko sy ny biraoko, ny zanako tany Frantsa nahita ny tsy fahitany, 3 taona aho tsy afaka nivoaka teto, fa namoahana IST,... Mampiasa olona 4000 aho, ary tsy hopotehiko sy holalaoviko amin’ny trafika ny mpiara-miasa amiko. Ampy iainan’izy ireo ny vokatra azon’ireo orinasa tantananay ireo, hoy i Mamy Ravatomanga. Raha zohiana, ho sarotra amin’i Rolly Mercia no ho tafavoaka ny fonja na teo aza ny fanehoan-dRavatomanga fa tsy manana alahelo intsony, izay tsy dia misy lanja na “valeur” araka ny lalàna, raha tsy misy taratasy mazava. Tsiahivina fa nohelohina higadra 44 volana i Rolly Mercia ny 15 oktobra 2020, izany hoe: amin’ny jona 2024 vao ho tafavoaka ny fonja.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT