Actualités

Roland Ratsiraka Tsy hijanona raha tsy mivaha ny olana…


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Mitohy hatrany ny fanitrikitrihan’ny solombavambahoakan’i Toamasina I, Roland Ratsiraka, fa tsy ara-drariny ny fitantanana ny fihariana lavanila eto amin’ny firenena ataon’ny fitondram-panjakana.

Vahaolana maika sy maharitra ho an’ny mpisehatra lavanila 800 olona izao no ilaina, hoy izy. Ao ny mpamboly, mpanangom-bokatra na “collecteurs”, mpanomana na “préparateurs” , ben’ny tanana, sefo fokotany. Ny solontenan’ny mpanondrana na “représentants exportateurs” no nivoahan’ireto fanapahan-kevitra miisa 6 ireto izay nofidiana ary lany 100% tamin’ny tsangatanana. Voalohany dia ny hoe avereno ifotony ny fahefana manapa-kevitra ny raha momba lavanila. Faharoa, foanana ny vidiny raikitra na « prix fixe » fa tsy io no nahalafo lavanila tamin’ny 2017. Fahatelo, amorao ny fahazoana fahazoan-dalana na «agrément». Fahahefatra, alalaho araka ny lalàna 97-046 izany. Fahadimy, samy manaova ny asany ny mpiara-miombon’antoka, ny fanjakana miahy ny fandriampahalemana, ny mpandraharaha mandraharaha, ny mpamboly mamokatra. Fahaenina, hafatra sy antso. Andapa, Antalaha, Andrakata, ny solombavambahoaka dia miantso ny mpandraharaha sy ny mpamboly lavanilina izay tsy faly mba hanandratra “t-shirt” volomboasary ary haneho ny olany amin’ny alalan’ny horonantsary. Manome ohatra eto ny tenany. Nampihorohoro ny hotely izay tokony nampiantrano ny fivoriana karakarain’i Roland Ratsiraka tao Andapa sy Antalaha ny manam-pahefana, ny prefe sy ny mpitandro filaminana. Ny fandalovan’ny filoham-pirenena hono no anton’izany . Tokony ajanona ny fivoriana. Nanizingizina ny solombavambahoaka ary dia vonona ny hifampiatrika tamin’ny manampahefana nanakana ireo fivoriana izay sady anaty efitrano fa tsy ankalamanjana no tsy misy tokony hatahorana. Tontosa ihany ny fivoriana na teo aza ny fahatarana, ny fiovana teo amin’ny toerana ary dia 200 isa teo ho eo ihany ny olona nanatrika satria dia natahotra noho ny fampihorohoroana avokoa ny hankabetsahan’ireo nasaina, hoy hatrany i Roland Ratsiraka, nanamafy fa tsy hijanona raha tsy mivaha ny olana momba ny Lavanila.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT